Ruscaceae

Ny Ruscaceae dia fianakavian-javamaniry tokan-dravin-tsimoka, ao amin' ny filaharana Asparagales araka ny fanasokajiana APG II (2003). Iadian-kevitra ny famaritana azy io. Amin' ny famaritana tery dia misy karazana manodidina ny 9 izay mitsinjara amin' ny vondron-karazana 3 izy io: Danae sy Semele ary Ruscus. Araka ny fanasokajiana klasikan' i Cronquist (1981), ny zavamaniry ao aminy dia ao amin' ny zana-pianakaviana ao amin' ny Liliaceae.
Hazobotry na vahy misy ravina kely dia kely izy ireo, izay maniry any amin' ny faritra manana toetany antonony. Sahanin' ny taho niova ho filôklady misy tsilo ny fiasan' ny krôlôfila (famaitso).
Fanasokajiana
[hanova | hanova ny fango]Ao amin' ny fanasokajiana APG II (2003), ny Ruscaceae dia azo raisina na tsia, ary ny vondron-karazana ao aminy dia azo ampidirina ao amin' ny Asparagaceae. Raha ekena ity fianakaviana ity dia lasa lehibe kokoa, ka ampidirana koa ny karazana ao amin' ny Eriospermaceae, ao amin' ny Convallariaceae, sns. Ao amin' ny filaharana Asparagales ity fianakaviana ity.
Ao amin' ny fanasokajiana APG III (2009) dia tsy manan-kery ity fianakaviana ity ary tafiditra ao anatin' ny fianakaviana Asparagaceae ny vondron-karazana ao aminy. Anisan' ity fianakaviana ity ny vondron-karazana Dracaena sy Sansevieria, izay ahitana zavamaniry famboly an-trano be mpampiasa. Izy ireo no namorona ny fianakaviana Dracaenaceae taloha.
Ny toe-javatra dia mitovy amin' ny vondron-karazana Beaucarnea sy Nolina ary Dasylirion, izay zavamaniry miedrika hazo, manana ravina misandrahaka eny an-tendron-tsampana, any amin' ny faritra mafana any Amerika ary namorona ny fianakaviana Nolinaceae taloha.
Lisitry ny vondron-karazana
[hanova | hanova ny fango]
Araka ny famaritana amin' izao fotoana izao dia ahitana karazana 475 mitsinjara amin' ny vondron-karazana 26 ny Ruscaceae.
- Aspidistra
- Beaucarnea
- Comosperma
- Convallaria
- Danae
- Dasylirion
- Dracaena
- Eriospermum
- Liriope
- Maianthemum
- Nolina
- Ophiopogon
- Polygonatum
- Ruscus
- Sansevieria