Ficus sycomorus

Ny Ficus sycomorus dia zavamaniry mamony, ao amin' ny fianakaviana Moraceae, karazana aviavy na amontana, izay efa nambolena hatry ny Andro Taloha. Ao amin' ny Baiboly amin' ny teny malagasy izy io dia adika hoe aviavy, sahala amin' ny Ficus carica ihany koa.
Faritra aniriany
[hanova | hanova ny fango]
Nambolena tany Ejipta nanomboka tamin' ny taonarivo fahatelo tal. J.K. ny Ficus sycomorus. Ity zavamaniry ity dia teratany any amin' ny faritr' i Afrika atsimon' i Sahel sy avaratry ny Zana-pehin-tany Adijady, avy any Senegaly ka hatrany amin' ny tapany avaratra-atsinanan' i Afrika Atsimo, ankoatra ny faritry ny ala mando ao afovoany-andrefana. Maniry ho azy any Libanona, any amin' ny tapany atsimon' ny Saikinosin' i Arabia, any Sipra, amin' ny faritra sasany eto Madagasikara, ary any Israely sy Palestina ary Ejipta. Any amin' ny toerana iaviany dia matetika hita any amin' ny tany lonaka manamorona renirano sy any amin' ny ala mifangaro io hazo io.
Ny mombamomba azy
[hanova | hanova ny fango]Mety hahatratra hahavo 20 m sy sakany 6 m ny Ficus sycomorus. Maitso mavo ny hoditr' ilay hazo ary ipoiran' ny hodiny anatiny manopy mavo avy ao anatiny. Toy ny karazana Ficus rehetra, ny Ficus sycomorus dia misy dity miloko fotsy.
Ravina
[hanova | hanova ny fango]
Manana lavany mirefy 14 sm sy sakany mirefy 10 sm ary milahatra manodidina sampana ny raviny, izay maitso antitra miendrika fo. Eo amin' ny lafiny ambany maitso tanora no isehoan' ny kirakirany madinika mivohitra ary mafy ny lafiny roa. Mirefy 0,5 hatramin' ny 3 cm ny halavan' ny tangozany izay rakotra volovolo.
Voa
[hanova | hanova ny fango]
Ny voany izay azo hanina, dia manana savaivo 2 hatramin' ny 3 sm. Miova avy amin' ny maitso mankamin' ny mavo manopy mavokely ny lokony. Maniry anaty sampahony ireo voany ireo mandritra ny taona ary mijanona ny fitomboany eo anelanelan' ny volana Jolay sy Desambra.
Kolontsaina
[hanova | hanova ny fango]Natao tamin' ny hazon' ny Ficus sycomorus ny vatam-paty sasany tany Ejipta. Ny Bokin' i Amôsa (7:14) dia miresaka momba nu voan' ity karazana aviavy ity. Tao Jerikô, i Zakaiosy dia nianika aviavy mba hahita an' i Jesoo nandalo ( Filazantsaran' i Lioka 19:4).