Vaccinium

Ny Vaccinium dia antokon-javamaniry mamony roa ravin-tsimoka ao amin' ny fianakaviana Ericaceae (zana-pianakaviana Vaccinioideae). Miparitaka saika manerana izao tontolo izao izy io ary ahitana karazany ekena eo amin' ny 450 eo ho eo. Any amin' ny faritra misy toetany antonony, dia kirihitra madinika maniry an-tendrombohitra ny karazana ao amn' ny Vaccinium. Hazobotry madinika izay manana haavo mirefy 20 ka hatramin' ny 50 sm izy ireo.
Fambolena
[hanova | hanova ny fango]

Ny karazana mahazatra indrindra any Eorôpa dia ny Vaccinium myrtillus sy ny Vaccinium vitis-idaea). Ny karazana Vaccinium ambolena matetika hita any amin' ny toeram-pivarotana lehibe eorôpeana anefa dia tsy avy amin' ny karazana Vaccinium eorôpeana teratany, fa avy amin' ny Vaccinium corymbosum sy ny karazana hafa any Amerika Avaratra. Satria mazava ny lokon' ny nofony, dia tsy miloko manga ny vava raha mihinana azy manta. Ny Vaccinium dia mitaky tany tsy dia misy fotony loatra, loko mena, ary pH ambany (4-5.5 ph).
Karazana
[hanova | hanova ny fango]Ny karazana Vaccinium 450 ka hatramin' ny 500 dia hita indrindra any amin' ny Ila Bolantany Avaratra. Indreto misy karazana notsongaina:
- Vaccinium angustifolium
- Vaccinium macrocarpon
- Vaccinium microcarpum
- Vaccinium corymbosum
- Vaccinium myrtilloides
- Vaccinium myrtillus
- Vaccinium oxycoccos
- Vaccinium uliginosum
- Vaccinium vitis-idaea
Karazana misy eto Madagasikara
[hanova | hanova ny fango]Roa fara fahabeny ny karazana Vaccinium misy eto Madagasikara:, raha manodidina ny 10 izany tany aloha noho ny fiheverana ny ovan-karazana maro ho karazana mahaleo tena:
- Vaccinium madagascariense (Thouars ex Poir.) Sleumer -- lamoty, voafamontsina, voandamoty, voantsikitra, voaramontsina
- Vaccinium secundiflorum Hook. -- hazombohoka, kitata, kitiboka, kitonda, tsitakajaza, voakelonda, voamantsitainakoho, voantsiririotra, voaramontsana, voaramontsina, voatsitakajaza
Ireto anarana manaraka ireto dia manondro ny Vaccinium madagascariense avokoa:
- Vaccinium andringitrense H.Perrier (karazana manana voany lehibe, hita eny amin' ny toerana avo)
- Vaccinium dichotomum Bojer ex Dunal
- Vaccinium emirnense Hook. (mirefy 2 ka hatramin' ny 3 m ny haavony, any amin' ny faritra avaratra sy afovoany eto Madagasikara, amin' ny haabo 800 hatramin' ny 2 500 m, atao hoe voantsikitra amin' ny fiteny fiteny betsimisaraka)
- Vaccinium fasciculatum Bojer ex Dunal
- Vaccinium forbesii Hook.
- Vaccinium littorale H.Perrier. (hazo hita eny amin' ny fasika amorontsiraka atsinanana[1])