close
Hankany amin'ny vontoatiny

Kilalao

Avy amin'i Wikipedia
Kilalao

Ny kilalao dia zavatra azo tsapain-tanana izay ampiasaina sy kirakiraina amin' ny lalao sy ny fialam-boly na ny fanatanjahantena. Ny kilalao dia matetika mifandray amin' ny ankizy na ny biby fiompy, saingy misy koa ny olon-dehibe sy ny biby hafa sasany izay mampiasa kilalao. Betsaka ny zavatra azo atao kilalao, fa ny zavatra sasany vokarina ho an' ny tanjona hafa dia azo ampiasaina ho kilalao ihany koa.

Tamin' ny fiandohan' ny sivilizasionan' olombelona no niandohan' ny kilalao: saribakoly mampiseho ankizy sy biby ary miaramila, ary koa sarin' ny fitaovana ampiasain' ny olon-dehibe, hita any amin' ny toeram-panaovam-pikarohana arkeôlôjika.

Ny kilalao sy ny lalao, amin' ny ankapobeny, dia manana anjara asa lehibe rehefa ampiasaina amin' ny fianarana: manana anjara asa fanabeazana izy ireo, saingy mety ho ankolaka (mba handrefesana ny hakingana, ny faharetana, ny fahaizana mampifandanja, ny fahalalana, ny faharanitan-tsaina azo ampiharina, ny fiaraha-miasa amin' ny samy mpiara-milalao, sns.). Mampiasa kilalao sy lalao ny ankizy mba hahitany ny maha izy azy, ùba hanampy ny vatany hitombo, mba hianatra momba ny antony sy ny vokatry ny hatsika ataony, mba hikaroka ny fifandraisana isan-karazany ary mba hampihatra fahaiza-manao ilainy rehefa lehibe. Mampiasa kilalao sy lalao ny olon-dehibe mba hanamafisana ny fifamatorana ara-piarahamonina, mba hampianarana, mba hahatsiarovany ny fahatanorany, mba hamantatra ny maha-izy azy, hampihatra ny sainy sy ny vatany, hikarohana ny fifandraisana, mba hampihatra fahaiza-manao, ary mba hampisy tsiro ny sehatra iainany.

Tsy ho an' ny fialamboly fotsiny ny kilalao, ary misy fiantraikany lalina eo amin' ny fiainana ny fomba fampiasana azy. Ny kilalao sasany dia natao indrindra ho an' ny fanangonana ihany fa tsy natao holalaovina.

Teny malagasy

[hanova | hanova ny fango]

Manondro zavatra mitovy ny teny hoe "kilalao" sy "lalao" amin' ny ankapobeny, nefa ny hoe "kilalao" no manondro indrindra ny zavatra azo tsapain-tanana ifantohan' ny hetsika filalaovana, ohatra ny saribakoly, ny baolina, ny papangohazo. Ny teny hoe "lalao" dia manondro indrindra hetsika misy fandaminana, ka mety hahakasika ny fanatanjahantena na zavatra hafa izany.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]