Orana

Ny orana dia rano milatsaka avy amin' ny rahona eny amin'ny habakabaka, vokatry ny fiandon' ny evoky ny rahona rehefa mihamangatsiaka ny andro. Ny orana no loharano voalohany ho an' ny ankabeazan' ny tany, satria manome toetra tsara ipetrahan' ny zava-misy sy ny zavamananaina (biby sy zavamaniry). Saingy miverina any an-dranomasina avokoa ny 80 isanjaton' ny orana latsaka. Ho an' ny orana tsy milatsaka eny an-dranomasina dia misy zava-mitranga atao hoe "virga" amin' ny teny anglisy, ny virga dia orana tsy milatsaka amin' ny tany fa orana lasa evoka alohan' ny fahatongavany eto an-tany. Any amin' ny tany mafana no tena misy izany fisehoana izany. Misy karazany ny orana: ny erika izay orana madinika mifafy amin' ny vanin-taona mangatsiaka (ririnina); ny orampiso izay orana kely tsy mahalena tany na tsy nanorika; ny orambaratra, orana mivatravatra amin' ny vanin-taona mafana na fotoam-pahavaratra, ny orambatravatra izay orana manila fihavy ny lohataona.
Raha mivaingana ny rano milatsaka avy eny amin' ny habakabaka dia atao hoe havandra na oram-panala.
Orana artifisialy
[hanova | hanova ny fango]Misy ihany koa ny antsoina hoe orana artifisialy[1], orana foronina amin’ny fomba siantifika, amin’ny alalan’ny teknika antsoina hoe cloud seeding (fampitomboana rahona).
Ahoana no fomba anaovana azy?
[hanova | hanova ny fango]Amin’ity teknika ity dia:
- Alefa amin’ny rahona ny akora manokana toy ny silver iodide na sira.
- Ireo akora ireo dia manampy ny vovon-drano ao anaty rahona hiangona.
- Rehefa mavesatra ireo vongan-drano dia milatsaka ho orana.
Inona no antony anaovana orana artifisialy?
[hanova | hanova ny fango]Ohatra amin’ny firenena tena mampiasa azy
[hanova | hanova ny fango]Raha fintinina dia orana vokarin’olombelona amin’ny alalan’ny siansa ny orana artifisialy, fa tsy avy amin’ny fizotran’ny toetr’andro voajanahary fotsiny.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]Miteny frantsay
[hanova | hanova ny fango]- Lahatsoratra momban'ny orana Archived Aogositra 30, 2009 at the Wayback Machine
- http://illuminati-news.com/china-rain.htm Archived Aogositra 17, 2011 at the Wayback Machine
