close
Hankany amin'ny vontoatiny

Fasana

Avy amin'i Wikipedia
Fasana

Ny fasana dia zavatra naorina mba hiarovana ny toerana nandevenana na nanafenana ny maty. Araka ny finoan' ny olona sasany, anisan' izany ny Ntaolo malagasy, dia io no toerana hita maso izay sady mampahatsiahy ny fahafatesana no mampifandray ny tontolon' ny velona sy ny tontololon' ny maty. Ao no itoeran' ny razana amin' ny androny sisa rehetra.

Kolontsaina

[hanova | hanova ny fango]

Ohabolana malagasy

[hanova | hanova ny fango]
  • Fatra-pitady ny tany tsy misy fasana, ka sendra izay homana olona.
  • Hianareo no natao valala fiandry fasana, natao vorompotsy tsy mandao omby.
  • Maty, iray fasana; velona, iray trano.